"Ary Jesosy namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao?" Marka 10:51a

Isan'andro dia sedraina ny fiainan'ny olona tsirairay. Noho izany, dia mitady hevitra araka izay zavatra miseho mba hamahana izany sedra izany no mibahana ao anatin'ny tsirairay. Ho an'ny jentilisa, dia efa manana ny fiatrehany izany izy ireo fa ny tiana ho resahana eto, dia ny hoe: manao ahoana ny fiatrehan'ny MPINO izany sedra eo amin'ny fiainany izany. Fanontaniana feno fitiavana no lazain'i Jesosy eto amin'ny alalan'izao teny izao.Tsy mijery na mamantatra ny tantara ratsinao Jesosy fa manontany anao. Tsy miafina aminy anie ny mikasika ny fiainanao rehetra e!ary matoa izy manontany anao, dia manontany mba ho fantatrao fa mpamaly vavaka Izy. Mitana toerana lehibe manoloana izao teny izao ny FINOANA. Jesosy ilay Andriamanitra manana ny hery rehetra, ilay mpanome fiainana, ilay nisolo vonanao, ilay manana fahefana amin'ny fiainanao, izany no manontany anao. Manoloana izany, mo tena MINO tokoa ianao fa hamaly izay angatahanao Jesosy?Izao anefa no tsarovy: Jesosy tsy miandry ny fangatahanao, fa Izy tonga dia MANOME anao izay ilainao, na dia tsy mbola mangataka akory ary ianao. Ny fitiavany anao no anaovany an'izany. Jesosy tsy be tsiary, fa mba tiany kosa ianao mba hilaza sy hanamboraka Aminy ilay tianao angatahana mba hahatsapanao ny valim-bavaka eo amin'ny fiainanao.

2 votes. Moyenne 1.50 sur 5.

Ajouter un commentaire
 

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site