Manapaha hevitra

"Hararaoty ny fotoana fa ratsy izao andro izao" Efesiana .5.16

 

  • Satria mandalo izao fiainana izao sy ny filany....1 Jao.2:17
  • Mielina ny andro-piainantsika ety, sady tsy miverina intsony ny andro anio.Job.14.1,2 -
  • Mandalo isika eto, ka sarobidy izao fotoana ahavelomanao izao, tokony handraisanao fanapahan-kevitra tsara sy ahavitanao zavatra lehibe

ZAO ARY

      Miankina amin’ny fanapahan-kevitrao izao ny hoavinao rahatrizay.

      Miankina amin’ny fandanianao ny fotoananao izao ny hovantaninao rahatrizay.

 

 VONONA ary ve ianao hanararaotra ny fotoana omen'ny Tompo anao?

 Tanora ve ianao? sa Antitra? Lehilahy sa vehivavy?

  • Mandehana miasa ho an'ny Tompo dieny izao, mahafinaritra anie ny miasa ho Azy e, sady misy hovantanina any an-danitra.
  • Mbola mahita tsara ny maso, dia mamakia baiboly.
  • Mbola manana feo, mihirà mafy ho an'Andriamanitra!
  • Misaora an'Andriamanitra noho ny fotoana nomeny anao amin’ny zavatra rehetra!

 

Manapaha hevitra hanolotra ny fonao hoan'i JESOSY anio zao.

MALALANY de The singer's of Jesus(extrait)

 

HO ANAO IZAY MIKATSAKA FIAINANA VAOVAO

RAISO JESOA MIANTSO ANAO

F'IZY ANIE EFA NANOLOTRA NY FIADANANY

HO ANAO 'LAY MAMINY MALALANY

 

 

Tsarovy fa malalany Jesosy ianao ny ainy aza anie ka nafoiny ho anao e! Dia ianao inona ary no mba ho foinao ho azy?

 

 

Ho tahian'ilay Ray tsitoha ianao

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Date de dernière mise à jour : 01/12/2011

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site